Ambohimalaza : Zana-kazo miisa 400 fototra novolena tamin’ireo sekoly tao an-toerana
Fambolena zana-kazo fihinam-boa teny amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza miray. Nitarika izany ny fikambanana Manova, izay avy ao an-toerana ihany, raha ny voalaza.
« Zana-kazo fihinam-boa miisa 400 isa no nozaraina tamin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana teto an-toerana. Niarahan’izy ireo namboly tamin’ny filoha mpanorina ny fikambanana izany, niaraka tamin’ireo birao mpitantana sy mpianatra ary tomponandraikitra isan-tsokajiny teny an-tsekoly » hoy ny avy amin’ny fikambanana Manova.
« Mahafaly hatrany ny fiaraha-mientana ho an’ny fampandrosoana tahaka izao indrindra ny fampandraisana andraikitra sahady ireo mpianatra amin’ny fambolen-kazo, ity farany izany nifanindry an-dalana tamin’ity hetsika fankalazana ity izay tena zava-dehibe tokoa » hoy i Nirina, mpampianatra.
Zana-kazo fihinamboa toy ny bipasy, manga, paiso sy ny zamborzano moa no novolena teny anivon’ireo sekoky nandritra ity fotoana ity. Ankoatra ny fambolen-kazo dia nisy ihany koa ny lalao ary fanentanana ireo beazina tao an-toerana mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fananana iombonana.
Manitra R.
