ActualitésTatitra

Maurice : Port-Louis, renivohitra manintona mpizaha tany

Port-Louis no renivohitry ny nosy Maurice. Manana ny distrikany manokana izy izay misy mponina 149 194 raha ny antontan’isa ny taona 2015. Tany ampiandohana dia « Noordwester Haven » no anarana nomen’ireo teratany Hollandais azy saingy nadikan’ireo mpanjanaka frantsay Port Nord-Ouest izany.

Taty aoriana vao nomena ny anarana hoe Port-Louis izay ho fanomezam-boninahitra ny mpanjaka Louis XV. Tsy fantatra mazava kosa ny datin’izany fanovana izany. Msiy ireo milaza fa tamin’ny taona 1721 izany na 1722. Ao kosa ireo milaza fa tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Governora Mahé de la Bourdonnais tamin’ny taona 1735 izany.

Nandritra ny revolisiona kosa di niverina Port Nord-Ouest ny anran’ny tanàna. Ny volana aogositra 1806, tamin’ny fanjakan’i Napoléonien kosa izy dia novain’ny governora Decaen Port-Napoléon indray ary tsy niova izany anarana izany raha tsy tonga ny Anglisy tamin’ny taona 1810 izay namerina ny anarana ho Port-Louis.

Laisser un commentaire