Avaradrano: Nilamina ny fanombohan’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024
Ny 04 septembra 2023 teo no nanomboka ny taom-pianarana vaovao 2023-2024, araka ny fandaharam-potoanam-pampianarana napetraky ny ministera misahana ny fanabeazam-pirenena. Ho an’ny distrika Avaradrano manokana, nilamina amin’ny ankapobeny izany fanombohana izany, ary hita ny fahavitrihan’ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny.
“Hita tokoa ny fahavitrihan’ny ankizy tamin’ity fanombohan’ny fampianarana ity. Ireo mpanabe sy mpampianatra ihany koa dia manampy betsaka azy ireo ao anatin’izany ary mamporisika ireo mpianatra hazoto hatramin’ny farany” hoy ny talen-tsekoly iray.
“Somary nanano sarotra ny fampidirana mpianatra tamin’ity indray mitoraka ity saingy rehefa atao ezaka sy te hanatafita ny ankizy dia nilamina ihany izany. Ny fianarana no harena sy lova azo omena ny ankizy ka tsy atao ambanin-javatra na eo aza ny fahasarotan’ny fiainana” hoy i Sahondra, renim-pianakaviana.
Hizara roa volana dimy moa ity taom-pianarana ity. Ny roa volana voalohany dia izao nanomboka ny 04 septambra izao ka hatramin’ny 27 oktobra 2023, ny roa volana faharoa dia ny 06 novambra ka hatramin’ny 22 desambra 2023; roa volana fahatelo, 08 janoary ka hatramin’ny 01 martsa; roa volana fahaefatra, 11 martsa ka hatramin’ny 26 aprily ary ny roa volana farany kosa ny 06 may ka hatramin’ny 28 jona 2023. Tsy mbola voafaritra kosa ireo daty hanatanterahana ny fanadinam-panjakana.
Manitra R.
