ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Hisy ny fiofanana maimaim-poana momba ny fanamboarana savony

Hisy ny fampiofanana maimaim-poana momba ny fanamboarana savony, ao main’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny manodidina, rahampitso sabotsy 09 septambra 2023. Ny filohan’ny ARB, Andry Raobelina no hanolotra izany, araka ny voalaza.

“Anjaran’ny eto Sabotsy Namehana sy ny manodidina indray no hisitraka ny fampiofanana izay atolotry ny ARB. Izany fampiofanana izany moa dia entina hanohanana ny mponina, entina hampihabo ny fari-piainanan’ny tsirairay sy hisintonana ny tanora, indrindra indrindra anatin’ny tontolon’ny fandraharahana” hoy ireo mpikarakara ny fiofanana.

“Tena ilaina ny fanatrehana fiofanana tahaka izao, indrindra fa ho an’ny vehivavy sy ny tanora. Hanentanana azy ireo ho tonga maro tsar any mahay zava-baovao, ahafahana mampitombo fahalalana sy hanitarana ny seha-pihariana” hoy i Sedra, tanora mpandraharaha.

Eny amin’ny Masca Sabotsy Namehana moa no hanatanterahana izany fampianarana maimaim-poana, fanamboarana savony izany. Hanomboka amin’ny 09ora ny fotoana. Marihina fa tsy misy ny fisoratana anarana atao ary efa ao anatin’ny fiofanana ireo fitaovana ampiasaina.

Manitra R.

Laisser un commentaire