Alasora : Hisy tanora avy ao an-toerana handray anjara amin’ny « Festival du film en poche »
Hisy ireo tanora avy ao amin’ny kaominina Alasora hiverina handray anjara amin’ny « Festival du film en poche » izay tanterahina any Carry Le Rouet, Frantsa. Ny 20 Novembra no fotoana hanatanterahina izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Alasora sy Carry Le Rouet, Frantsa, no nisian’ny hetsika, izay efa andiany fahadimy izao. Anisan’ny mpiahy ity andiany ity i Jean Pierre Foucault, ary tafiditra ho isan’ireo mpitsara ny ben’ny tananan’Alasora.
« Miditra amin’ny andiany faha dimy amin’izao fotoana izao ny « Festival du film en poche », izay handraisan’ireo tanora avy eto Alasora anjara. Tsara ny manamarika fa tanora teto Alasora no nandrombaka ny amboara tamin’ny andiany voalohany sy ny faharoa. Tsy nandray anjara kosa isika tamin’ny andiany fahatelo sy fahefatra » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora.
« Anisan’ny manasongadina ny tanora avy ato amin’ny kaominina Alasora ny hetsika tahaka izao. Isaorana feno ny mpikarakara satria manome lanja, ary manosika hatrany ireo tanora malagasy hivelatra amin’ny sehatra ambony. Reharehan’ny kaominina » hoy i Felana, mpampianatra.
Mitondra rehareha ho an’ny mpiray tanindrazana ny fandraisana anjara amin’ny sehatra ambony tahaka izao. Anisan’ny hery lehibe manohana ny mpandray anjara ny fanohanana avy amin’ny tsirairay, indrindra fa anarana malagasy no entina amin’ny sehatra iraisam-pirenena tahaka izao.
Manitra Ramanantsoa
