ActualitésTatitra

Etats-Unis : Ahitana kandida LGBT mirotsaka amin’ny fifidianana « mi-mandat » avokoa ireo fanjakana 50

Manan-tantara ny zava-misy ao Etats-Unis amin’izao fotoana. Voalohany teo amin’ny tantarany no nisy kandida LGBT (lesbiennes, gays, bi, transgenres) mirotsaka amin’ny fifidianana « mi-mandat » avokoa amin’ireo fanjakana 50 ao aminy.

Kandida 678 no LGBT nirotsaka ho amin’ny fifidianana hotontosaina ny 8 novambra izao. Niakatra 18,1% ny taha raha noharina tamin’ny taona 2020. Raha tsiahivina dia ny seza rehetra ao amin’ny Antenimieranpirenena sy ny ampahatelon’ny ao amin’ny Antenimierandoholona no havaozina amin’io fifidianana io.

Anisan’ireo kandida LGBT be mpanaraka indrindra kosa i Tina Kotek sy Maura Healey izay mety ho lasa governora « lesbienne » voalohan’i Oregon sy Massachusetts.

Laisser un commentaire