ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nametraka ny firotsahany hofidiana i Mike Pence

Nametraka ny firotsahany hofidiana ho filohan’i Etats-Unis i Mike Pence ny fiandohan’ny herinandro teo. Marihana fa ny taona ho avy izao no hotontosaina ny fifidianana filoham-pirenena vaovao ao an-toerana.

Raha tsiahivina kosa dia filoha lefitr’i Donald Trump nandritra ny fitondrany i Mike Pence. Kristianina evanjelika izy ary mpanohitra mafy ny fanalan-jaza. Isany nanampy betsaka an’i Donald Trump tamin’ny nisarika ny havanana mpivavaka izy nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny taona 2016. Nivadika palitao kosa izy taona maro taty aoriana noho ny fanafihana ny Capitole.

Raha ny fitsapan-kevitra nataon’ny RealClearPolitics kosa dia 3,8% eo ihany ny vato azon’i Mike Pence, izay tena lavitry ny an’i Donald Trump, 53,2%.

Laisser un commentaire