Ambohimangakely : Ilaina eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny hetsika tahaka ny Festival GEW
Nafana tokoa ny fampisehoana teny amin’ny kianjan’ny Frera Ambohimangakely nandritra ny fankalazana ny festival GEW ny 13 sy 14 novambra lasa teo. Ny Festival GEW no nahafahan’ireo mponina niala-voly, nisitaka kely tamin’ny fiainana andavanandro ary nahafahany nahafantatra ihany koa ny manodidina ny fandraharahana misy ao Avaradrano sy tolotra maro isan-karazany tamin’ny fiofanana.
« Tena ilaina tokoa ny hetsika tahaka izao hahitan’ireo tanora zava-baovao indrindra hanomanany ny hoaviny fa tsy sanatria zavatra tokana ihany no ho fantany, tsy ampy fotsiny mantsy ny diplaoma fa eo ihany koa ny traikefa sy ny karokaroka ka nanampy betsaka ity festival ity » hoy i Lanto, renim-pianakaviana nitsika ireo trano heva nandritra ny hetsika. Ilaina ny mampitombo traikefa fa tsy iononana fotsiny amin’izay efa ananana, ny fanatrehana ny hetsika fampiratiana tahaka izao no tena tombony lehibe ho an’ny mponina taty Ambohimangakely, manana hevitra tsara mantsy ny tanora saingy tsy ampy traikefa kanefa izay nampiranty ny hetsika nataony nandritra ny GEW.
« Isaorana indrindra ny BTC amin’ny hetsika fampandrosoana ny tanàna tahaka izao. Miainga amin’ny toe-tsaina tokoa ny fampandrosoana ka io aloha no tena mila ovaina voalohany izay vao manaraka ny asa rehetra » hoy ny tompon’andraikitra ao Ambohimangakely. Marihina fa isan’ireo nanatevina ny fikarakaran ity hetsika ho an’ny mpandraharaha ity niaraka tamin’ny BTC Ambohimangakely ihany koa ny Kaominina tany an-toerana. Tsotra tokoa ny tanjona iraisana dia ny hampandroso ny tanàna izay tsy miainga amin’ny alalan’ireo tanora izany.
Nicole Rafalimananjara
