Vidim-piainana : Mampitaraina ny vahoaka Malagasy ny fiakarany
Nandritra fiandohan’ny taona 2021, tsy mbola nahitana fidinany firy ny vidin’ny entana filàn’ny olona amin’andavanandro. 2 000 Ariary hatramin’ny 3 200 Ariary ny kilaon’ny vary tamin’ny volana febroary. Ny menaka indray 6500 hatramin’ny 13 000 Ariary ny litatra tamin’izany. Nahatratra hatramin’ny 3 200 Ariary kosa ny vidin’ny siramamy tamin’iny volana febroary iny ihany. Ny lafarinina hatramin’ny 114 000 Ariary ny kilao. Na izany ary, nisy ihany ny fepetra noraisin’ny fanjakana amin’ny fametrahana ireo vidin’entana ireo ho takatry ny fahefa-mividin’ny tsirairay.
Ny volana Jona indray anefa, tsy hita ihany izay fidinan’ny vidin’ny PPN io. Antony : tsy voatana ny fiakaram-bidy fa niha-nidangana hatrany. Efa hatramin’ny volana may ny vidin’ny vary no 2 300 Ariary hatramin’ny 3 000 Ariary ho an’ny vary avy eto an-toerana. Ny vary avy any ivelany indray, 2 400 ariary hatramin’ny 2600 Ariary ny kilao. Ny vidin’ny siramamy tsy nahitana fidinany fa mijanona ho mihoatra ny 3 000 Ariary avokoa izany. Ny menaka nahitana fiakarany hatramin’ny 7 200 Ariary raha toa ka 6 500 Ariary izany tanatin’ny volana vitsivitsy. Ho an’ny menaka anaty tavoahangy, efa mahatratra 8 000 Ariary hatramin’ny 9 700 Ariary ny vidin’izany, tamin’ny volana Jona hatrany. Marihina fa taorian’ny fihibohana, noho ny fisian’ny valan’aretina no niatombohan’ity fiakarana ity ary mbola mitohy hatramin’izao.
Tsy ny vidin’ny PPN na ny filàn’ny olona amin’ny andavanandro ihany anefa no nahitana fiakarany fa eo ihany koa ny vidin-tsolika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay ny fiakaran’ny vidin’ny simenitra sy ny fitaovana ilaina rehetra amin’ny fanamboarana trano. Noho izany rehetra izany, hisy fiantraikany eto amin’ny firenena avokoa io fiakaram-bidy tsy mitsahatra io. Hatramin’izao anefa, mbola tsy ahitana fidinany avokoa izany rehetra izany. Raha misy fidinany dia eo amin’ny 50 na 100 Ariary eo ihany ary tsy raha ny noeritreretina sy nofaritana.
Manoloana ny zava-misy, nisy ny fepetra efa noraisin’ny tao amin’ny ministeran’ny indostria sy ny varotra tamin’ny volana aogositra lasa teo. Tao anatin’izany ny fametrahana ny vidin’entana araka ny tokony ho izy ka ny mpivarotra rehetra tsy tokony hanararaotra na haka tombony amin’ny entana varotany. Tamin’izany ihany koa no niarahan’ny minisitra Edgard Razafindravahy nandinika tamin’ny mpisehatra ara-barotra mahakasika io vidin’entana io. « Raha ny tokony ho izy, 2 000 Ariary ny mora indrindra amin’ny kilaon’ny vary, ary hofehezina io vidiny io mba tsy hiakatra be », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ministera.
Ny hita sy tsapa amin’izao fotoana, miovaova sy miaka-midina ny vidin’ny entana rehetra eny amin’ny mpaninjara isan’andro. Tsy raha ny fepetra noraisin’ny fanjakana izany satria tsy takatry ny olona intsony ny ankamaroan’ny sakafo sy ny filàny rehetra amin’ny andavaan’andro. Hatramin’ny sira, ny vovon-tsavony, ny savony, ny entana majinika, ny zava-pisotro, ny hena, ny legioma rehetra, eny hatramin’ny hani-masaka samy niakatra sy nanjary lafo avokoa ny vidiny tao anatin’ny fotoana fohy. Na eo ary ny fidinany indraindray, mbola tsy mahefa izany ny mponina amin’ny toerana samihafa eto Madagasikara. Mbola mitaraina ho mijaly sy sahirana ny vahoaka. « Tsy hitanay akory izay fidinan’ny vidin’entana kanefa izahay maheno amin’ny vaovao fa misy fepetra raisina amin’izany », hoy Jeanne, renim-pianakaviana. « Nihena tsy toy ny isan’andro ny habetsaky vary harotsakay satria lafo loatra ny vidiny ka aleo mihafy fa ny fidiram-bola ihany koa tsy dia misy rahateo », hoy i Ndriana, raim-pianakaviana. Tsy ny mpividy ihany no mitaraina fa hatramin’ny mpivarotra ihany koa satria misy vokany amin’ny tsena izany. « Tsy dia mandeha firy intsony ny hena satria tsy manam-bola ny olona, moa ny vidiny niakatra dia tsy mahatakatra be ny vidiny intsony izy ireo. Simba anefa ny entana rehefa tsy lany mandritra ny andro maro ka miteraka fatiantoka ho anay », hoy Andry, mpivarotra.
Olana mahatonga ny io vidim-piainana miakatra io ny faharatsian’ny lalana, ny fahalaviran-toerana sy ny fahavitsian’ny orinasa mamokatra eto Madagasikara. Kanefa raha ny zava-misy, tokony tsy ho lafo be ny entana maro isan-karazany vita eto amintsika. Ho an’ny any ambanivohitra sy any amin’ny faritra samihafa, ny lalana ratsy ka mahatonga ny saran-dalana ho lafo no mahatonga ny entana ho tombanana ambony rehefa tonga aty an-drenivohitra. Eo ihany koa ny fotoana hitondrana ny entana izay maharitra hatramin’ny roa andro mahery. Ohatra, ny saribao alaina 8 000 Ariary eny amin’ny mpaninjara kanefa noho izay olana izay, amidy hatramin’ny 25 000 Ariary izany rehefa tonga eto. Miteraka mason-karena hafa tafidritra ao amin’ny vidin’entana ireo olana ireo kanefa ny mpivarotra tsy maintsy maka tombony ho azy hialana amin’ny fatiantoka.
Fehiny, tsy mbola mahafehy loatra ny vidim-piainana andavan’andro ny fanjakana. Tsy mitsaha-midangana izany ary mampikolay ny vahoaka maro. Tsiahivina anefa fa raha raha ny vivanvinan’ny banky foiben’ny Madagasikara, « tsy tokony hihoatra ny 6% ny fiakaran’ny vidim-piainana hatramin’ny faran’ity taona 2021 ity ». Ny sandan’ny Ariary ihany koa tsy miteraka fiantraikany amin’io vidin’entana io, na ahiana ho mbola hitotongana aza izany. Tsy izay ny zava-miseho fa toa mifanohitra satria hita taratra amin’ny andavan’andron’ny olona tsirairay ny fahasahiranana ara-bola ka tsy mahavidy entana ilaina isan’andro intsony. Marina fa efa miezaka ny fitondram-panjakana mametraka fepetra sy mandray andraikitra hisorohana io fidanganana ‘ny PPN io kanefa misy foana ny manararaotra. Misy mpivarotra mitahiry ny entana tokony amidy, misy manararaotra tsotr’izao amin’ny vidiny. Noho izany tsy voahaja ny zon’ny mpanjifa.
Amin’ny ankapobeny, mila jerena io vidin’entana miakatra io satria mitaraina ho tsy misakafo ny olona. Tsy hitan’ny vahoaka intsony izay iainana, mirongatra ny tsy fandriampahalemana noho ny tsy fananana. Ny eo am-pelatanana efa kely nefa mbola misy mandroba ihany. Vahaolana maharitra hisorohana ny fidanganan’ny vidin’entana no tsara haroso. Laharam-pahamehana ny fiainam-bahoaka ary tsy tokony atao tsinotsinona na atao ambanin-javatra izany. Tompon’andraikitra voalohany ny mpitondra fanjakana ambony izay tokony hiahy ny sosialim-bahoaka. Mahantra ny firenena, mahantra ny Malagasy, ny vahaolana hialana amin’izany anefa mbola tsy voafaritra mazava hatreto. Miantso ny fitondram-panjakana hatrany ny mponina mba hijery azy ireo sy mba hihaino ny fitarainany. Ary indrindra mba hamaha io olana amin’ny fidanganan’ny vidin’entana andavan’andro io. Tsara mitily voalohany izany ny fitondram-panjakana, ilaina ny foto-drafitrasa maro isan-karazany, kanefa tsy azo atao latsa-danja ny vahoaka.
Andy Rafidimanana
