ActualitésTatitra

Italie : Venise, tanàna tsy roa aman-tany

Tanàna ao amorontsiraka avaratr’Italie, eo amoron’ny ranomasina Adriatique i Venise. Fitambarana nosy kely 121 izy hampifandraisan’ny lakandrano sy tetezana 435. Eo afovoan’ny rano « Pô » sy « Piave » i Venise ary manana fotodrafitrasa sy kolotsaina miavaka izay nahatafidirany tao amin’ny vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco.

Renivohi-paritanin’i Vénétie i Venise. Tany amin’ny taona 2012 dia 269 810 ny mponina tao aminy. Manoloana ny firafiny miavaka dia misarika mpizaha tany maro i Venise. Maro ny toerana iantsoana an’i Venise fa anisan’ireo malaza indrindra ny « Sérénissime ».

Raha ny fantatra dia anaram-boninahitra nomena ireo mpanjaka ny « Sérénissime ». Nentina niantsoana ny « Doge » tao Venise ihany koa nefa izany ka lasa nantsoina « Sérénissime République de Venise » ny toerana. Nafohezina ho « Sérénissime » izany ary nohazonina ho anarm-bositra rehefa lasa tanàna i Venise.

Laisser un commentaire