ActualitésSportTsidika

Avaradrano : Hanomboka rahampitso ny fifaninanana distrika taranja Basket-ball

Hanomboka rahampitso, sabotsy 09 septambra 2023, ny fifaninanana eo amin’ny kaominina, eto anivon’ny distrika Avaradrano, amin’ny taranja basket-ball. Hisy araka izany ny lanonana fanokafana sy lalao fisantarana izany fifaninanana izany, araka ny voalaza.

“Ilaina ny fanontronantsika rehetra mandritra ireo lalao izay ataon’ny ekipatsika avy eny amin’ny kaominina misy antsika. Hery lehibe sy aina ho an’ny mpilalao, indrindra ho an’ny taranja basket izany fanohanana izany” hoy ireo avy amin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna Avaradrano.

“Efa vonona avokoa ny ekipa rehetra. Izao lalao izao ihany koa moa dia efa ela no niandrasana azy ka dia hisaorana ireo tomponandraikitra nanao izany ho laharam-pahamehana” hoy i Andy, mpilalao basket.

Hanomboka amin’ny 09ora moa izay fanokafana ny lalao izay rahampitso, sabotsy. Kaominina Anjeva sy Sabotsy Namehana kosa no hisantatra ny lalao. Hitohy ny alahady moa izany fifaninanana izany, izay atao ao amin’ny kianja Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana.

Laisser un commentaire