ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Mifono mistery ny tetezana « Overtoun »

Ao Milton, ao Écosse, no misy ity tetezana Overtoun ity. Maro be ireo nitatitra tao anatin’ny 70 taona fa mamono alika ity toerana ity. Alika miisa 600 no nitsambikina teo aminy raha ny fanazavana, ary 50 tamin’ireo no maty. Ny mahagaga, avy amin’ny toerana iray mitovy avokoa ny ankahamaroan’izy ireo no nitsambikina, ary izay tsy maty tamin’ny fitsambikinana voalohany dia namerina nitsambikina indray.

Nanitikitika ny mponina tao an-toerana ny tantaran’ity tetezana ity, misy hery hafahafa nifono mistery ity. Nahatsikaritra izy ireo fa rehefa tsara ihany ny andro vao miseho ity trangan-javatra ity ary ireo alika tena maharehy fofona toy ny « berger allemand » sy ny « terrier écossais » no tena lasibatra ka nanome fanazavana siantifika i David Sexton fa misy fofona misarika ireo alika ireo eo an’habakabak’ity tetezana ity. Ary nanamarina izany ny fizahana siantifika satria 70% ireo alika ireo no nanaraka ny fofona biby antsoina hoe « vison » izay nampidirina tao Écosse ny taona 1920 ary nitombo isa ny taona 1950, taona nanombohan’io fitsambikin’ny alika io. Misy kosa ireo milaza fa ny rano mikoriana ao ambanin’ity tetezana ity no misarika ireo alika ireo.

Laisser un commentaire