Ankadikely Ilafy : Hisy ny fanentanana mahakasika ny « October rose »
Hisy ny hetsika fanentanana izay atolotry ny “polyclinique d’Ilafy” mahakasika ny “October rose” rahampitso zoma, ao amin’ny “Salle de conference Polyclinique Ilafy”. Fampahafantarana ireo tsara ho fantatra mahakasika ny homamiadan’ny nono no atao mandritra izany, araka ny voalaza.
“Hisy ny toromarika sy fampianarana amin’ny fahaiza-mitsapa izy tenany ihany ny nonony na ny Autopalpation des seins mba hahafahana mamantatra mialoha ny mety ho trangana homamiadana (Cancer). Izany indrindra no hanasana ny vehivavy ho tonga maro satria sarobidy ny fahasalamana” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena ilaina ny mampahafantatra ny vehivavy ireo fihetsika fitsapana ny nono. Manomboka eo amin’ny taonan’ny adolatsento dia tokony hampianarina ny tovovavy satria maro ireo antony mety ahatonga ny homamiadana manoloana ny rivotra hiainana amin’izao fotoana. Tafiditra ao anatin’ny fitaizana sy fitsinjovana ny fahasalamana izany” hoy i Antsa, mpiofana mpitsabo.
Manditra ny volana Oktobra moa no hanomezana-danja izany hetsika izany. Amin’ny ankapobeny, ady maneran-tany ny fisorohana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ka anisan’ny mandray anjara amin’izany ny eto Madagasikara. Marihina fa iray amin’ny vehivavy roambinifolo no mety ho voan’ny homamiadan’ny nono.
Manitra R.
