Betafo: Voasambotra ilay lehilahy namono nahafaty ny zana-badiny
Lehilahy iray namono nahafaty ny zana-badiny vao 6 taona. Vokatry ny valifaty nataony tamin’ny renin’ilay zaza izay vao nisaraka taminy. Nalainy tany amin’ny toeram-pianarany ilay zaza; novoniny ilay zaza ora vitsy tao aorian’ny nakana azy. Maty tamin’ny fomba feno habibiana ilay zaza ary naleviny tany anaty ala. Mbola nitaky vola ihany ity farany tao aorinan’izay.
“Nisaraka efa andro maromaro izy mivady. Nampody an’ilay ramatoa izy saingy tsy nety. Nalainy tany am-pianarana ilay zana-badiny ary nentiny nitsoaka. Pasitera iray teo an-tanàna no nampandre ny mpitandro filaminana tao amin’ny Poste Avancé Faravohitra fa nalain-draikeliny an-keriny ilay zaza. Mitaky vola 10 tapitrisa ariary ilay raikeliny vao averiny ilay zaza.” Hoy i Bako, renim-pianakaviana.
“Rehefa natao ny fikarohana sy ny fanadihadihana rehetra; voasambotra tany Betafo ilay nahavanon-doza sy ny namany niray tsikombakomba taminy. Efa atolotra ny fitsarana ny raharaha. Notanana amponja vonjimaika izy sy ny namany izay niaraka taminy.” Hoy ny mpitandro filaminana.
Ilay vola notakiany dia noeritreretiny hivelomana; valifatiny tamin’ilay ramatoa no antony namonoany ilay zaza.
