Faritra Analamanga : Ffifamindram-pahefana teo amin’ny Sekretera Jeneraly teo aloha sy ny vaovao
Tontosa ny fifamindram-pahefana eo amin’ny Sekretera Jeneraly vaovaon’ny faritra Analamanga sy Sekretera Jeneraly teo aloha. Natao ny 11 aprily lasa teo izany.
« Naseho tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny mpiasa rehetra ato amin’ny Faritra Analamanga nandritra ny fanangana-tsaina ny sekretera Jeneraly vaovao, Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Handeha hisotro ronona mantsy i Ravomanana Vincent izay Sekretera Jeneraly teo aloha » hoy ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga. « Hanao tsaratsara kokoa noho ny vitan’ny teo aloha aho. Tohizana hatrany ny ezaka ho fanatsarana ny asa » hoy ity sekretera Jeneraly vaovao ity. Nanome toky kosa ny niala nandeha nisotro ronono fa hampita ireo traikefa ananany amin’ireto vaovao.
Zava-dehibe tokoa ny fifanohanana sy ny fifanampiana ao anatin’ny raharaham-pirenena tahaka izao. Ilaina ny fifampizaran-traikefa mba hialàna amin’ireo lesoka mety hitranga.
Nicole Rafalimananjara
