Fitsidihana ny lalana Katsepy hatrany Soalala
Manana anjara toerana goavana eo amin’ny fampandrosoana ny faritra ny fahatsaran’ny lalana. Mitohy ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Katsepy-Mitsinjo, hatrany Soalala. Tonga nijery ny fandehan’ny asa ny filoham-pirenena androany. Sambany tao anatin’ny efapolo taona no nisy filoham-pirenena nitsidika indray ny kaominin’i Katsepy. Anisan’ny distrika mamokatra ny distrikan’i Mitsinjo hoy ny filoha nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanolorany ho an’ireo mpitondran’ny fitaovam-panamboaran-dalana ny mari-pahaizana azon’izy ireo taorian’ny fiofanana izay narahiny hahafahany mampiasa ireto fitaovana antsakany sy andavany. Ankoatra ireo lalana dia efa maro ihany koa ireo fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana efa natomboka ao amin’ny Faritra Boeny toy ny fanamboarana ny fefilohan’i Beronono izay hiaro ireo vokatra amin’ny tondran-drano rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra. Isan’ny mampikaikikaiky ny mponina ankehitriny ny resaka sosialy satria tsy mahavaha ny olana akory ny fanampiana isan-karazany izay ny sasany ihany no misitraka izany.
Nicole Rafalimananjara
