Menabe : Mitombo ny vokatra voanjo vokarin’ny tantsaha
Faritra anisan’ny mpamokatra voanjo betsaka indrindra eto Madagasikara i Menabe. Velaran-tany manodidina ny 16 000 Ha no voavoly tamin’ity taona 2022 ity, ary ny Distrikan’i Belo amoron’i Tsiribihina no mitana ny laharana voalohany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana Menabe. Anisan’ny nampiakatra ny taham-pamokarana ny fanarahan’ny tantsaha ny teknika mahomby entina manatsara ny fambolena voanjo sy ny fahampian’ny rotsakorana.
Mitombo isa ihany koa ny kaoperativa misehatra amin’ny raharaham-boanjo. Hanangona sy hanodina ny vokatra ho lasa menaka ao Morondava ny tanjon’izy ireo. Efa nahazo fampiofanana ireo mpikambana ao amin’ity Kaoperativa ahafahana mamokatra kalitao menaka tsara hanodinana ireo vokatra voanjo ary efa misy ny tetikasam-panjakana izay hiarahana miasa amin’ireo tsy miankina amin’ny fananganana ozinina mpamokatra menaka ao Morondava.
