ActualitésTsidika

Misokatra ny tsena mora ho an’ny mpianatra eny Ankatso sy ny eny Vontovorona

Raha efa nanomboka tamin’ny fihiboana tamin’ny taona lasa ny tsena mora, mitohy izany ankehitriny manerana an’Antananarivo. Isaky ny talata sy ny alakamisy no afaka manatona ny toerana natokana ho amin’izany ny olona. Ankoatra ireo tsena mora efa misokatra manerana ny nosy, misitraka izany ihany koa ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolon’Antananarivo sy ny mpianatra eny Vontovorona. Tsy ilàna karinempokontany ny fientsenan’ireo mpianatra ao amin’ny tsena mora. Vary sy menaka amin’ny vidiny mora no afaka jifaina eny amin’ireo tsena mora. Manoloana izany anefa, mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana ho finjinjovana ny rehetra. Isan’izany ny fanaovana aro vava sy orona ary ny fanajana ny elanelana. Tena manampy betsaka amin’ny sosialim-bahoaka ny fisian’ny tsena mora indrindra manoalana izao valan’aretina izao.

Mampionontsoa Rajaonson

Laisser un commentaire