SportTsidika

Mila manana « licence de club » ny CFFA vao afaka mifaninana

Ny AS Adema sy ny CFFA no ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fifaninana afrikanina raha ny AS Adema no eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka ary ny CFFA no eo amin’ny fiadiana ny amboara. Ho fantatra afaka andro vitsivitsy ny daty sy ireo mpifanandrina amin’ny AS Adema sy ny CFFA, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra.

« Tsy maintsy ara-dalàna tsara ireo klioba vao afaka hiatrika izany kanefa tsy mbola manana ny licence de club ny CCFA Andoharanofotsy », hoy ny avy ao amin’ny federasiona. Mitaky izany anefa ny avy ao amin’ny CAF ary nanambara izy ireo fa ny tsy fananana izany dia mitarika amin’ny tsy fahafahana mandray anjara ary hahazoana sazy. « Faniriana ny handeha kanefa misy ny olana ary mba mangataka fanampiana izahay hitondrana avo ny firenena mba hahazahoana io Licence de Club io » hoy ny mpitantana ny klioba. Inona avy no dingana hahazahoana izany « licence de club » ?

Masontsivana dimy no takiana amin’ny ekipa iray alohan’ny hahazahoana izany. Voalohany, ny tokony hananana fotodrafitrasa ara-dalàna, eo ihany koa ny tokony hisian’ireo mpiasa miandraikitra ny fitantanan-draharahan’ny klioba, sy ny fijoroana ara-dalàna ary fananany taratasy fahazoan-dalana ara-panjakana « certificate de conformité ». Tokony hisy drafitra sy lamina ary fandaharam-potoana mipetraka tsara ao anarin’ny taona, anisan’ireny ny fisian’ireo sokajy rehetra ao amain’ny klioba, ny filozofian’ny lalao sy ny sisa. Ary fepetra farany ny lafiny ara-bola, tsy maintsy manana fidiram-bola mazava tsar any ekipa ka ao anatin’izany ny fisian’ny kaonty any amin’ny banky. Alefa mivantana any amin’ny Caf ny fangatahana, amin’ny alalan’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra ka dinihan’izy ireo ary ireo rafitra misahana ny baolina kitra eto Afrika ary raha feno ny fepetra vao mahazo ny “licence de club”. Ny AS Adema kosa dia tsy manana olana manokana amin’io sehatra io. Mila fanohanana ny tahaka izao, klioba hiaraha-manana io ka tsy tokony izy ireo samirery no hisaina izay hahazahoany ny « licence de club ».

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire