PolitiqueTsidika

Ho fantatra tsy ho ela ny anaran’ireo Minisitra vaovao

Efa maro ny resaka nandeha sy niely teto amin’ny tamban-jotra sosialy sy teny anivon’ny haino amanjery maro tato anatin’ny herinandro vitsy fa hisy ny fanadinana tsirairay avy an’ ireo Minisitra ao amin’ny Governemanta Ntsay ary tsy azo hiodivirana ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ity governemanta ity.

Raha nanao ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety sy nitafa tamin’ny vahoaka Malagasy ny Filoha ny Alahady lasa teo dia nanambara mazava fa « olona atokisany ny Praiminisitra amperin’asa nadritra izay fotoana niarahan’izy ireo niasa nanomboka ny volana Janoary 2019 izay ary tsy hisy mihitsy ny heritreritra ny ho fanalana azy eo amin’ny toerana maha lehiben’ny Governementa azy.

Hisy kosa anefa ny fanaovana fanombanana ny hezaka sy ny asa vitan’ireo Minisitra tsirairay ka ireo izay tsy maharaka ny hafainganam-pandandeha takiana aminy dia tsy maitsy ho asorina amin’ny toerany ». Andro vitsy taty aorian’io valan-dresaka io dia namoaka fanambarana ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa « tapitra ny Alarobia 11 aogositra lasa teo ny fe-potoana ihasan’ireo Minisitra mandrafitra ny Governemanta ». Hisy arak’izany ny fanovana ireo Minisitra, mety hisy ireo ho tafajanona amin’ny toerany fa hisy ihany koa anefa ireo tsy maintsy ho soloina.Ny hany azo antoka hatreto dia ny tsy fihovan’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta.

Handrasan’ny maro ankehitriny ny anaran’ireo olona voatendry ho Minisitra handrafitra indray ity Governemanta vaovao ity. « Aoka mba ho olona vonona hitondra fihovana mankany amin’ny tsara sy tena vonona ny hampandroso ny firenena tokoa no hatolotra sy ho tendrena ho eo amin’ny fahefana mpanatanteraka, fa tsy olona efa hikohizana eo amin’ny resaka kolikoly sy afera maloto no sady mbola tsy mahafehy ny andraikitra iantsoroany » raha nanontany ny hevitr’i Daniel mpianatra lalana ao amin’ny taona famaranana izahay. « Fomba entina anomezan’asa ireo havana sy namana akaiky ihany io fanovana ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta io, isika Malagasy mantsy mbola tsy afaka amin’ilay toe-tsaina kitrano an-trano »hoy kosa i Rija, mpianatra Sciences Politiques raha naneo malalaka ny heviny.

Hita taratra tokoa ary naha be adi-hevitra ny mpanara-baovao fa toa zary olona akaiky sy efa nifanerasera akaiky tamin’ny Filoha ny ankamaroan’ ireo olona mandrafitra ny fitondrany sy ny manodidina azy.

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire