Hisy ny hetsika hampivelarana ny fiompiana ombivavy be ronono
Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny Ministra ny 11 aogositra teo fa hanomezana ny tsenam-barotra andiany voalohany amin’ny fanafarana ombivavy be ronono « race normande » sy « Monbéliarde ». Miisa 165 ny ombivavy ho hafarana ho an’ny orinasa Union Coop Export Commerce animaux MONTB izay « société coopérative agricole » any Roulans (France) izay efa tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Ministra talohan’io.
« Ho fampiroboroboana ny sehatry ny famokarana ronono sy ny fiompiana ombivavy be ronono no hanafaranay ireo ombivavy ireo izay ho tonga amin’ny alalan’ny fitaterana entana an’habakabaka na cargo » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny fiompiana ary ny Jono. « Ny fanafarana azy io dia manaja ireo fenitra ara-pahasalamana apetraky ny Organisation Mondiale pour la Santé Animale sy ireo fenitra heverin’i Madagasikara fa tena ilaina ho fiarovana ny fiompiana manerana ny Nosy » hoy ny Ministra, Ranarivelo Lucien.
« Isan’ny sehatra tokony hovelarina eto Madagasikara ny fiompiana ombivavy be ronono, tokony hisy ny fampiofanana ireo mpiompy mba hahaizany manatombo kokoa ny eo am-pelatanana indrindra ny fikarakarana ny sakafony » hoy i Olga, mpiompy avy any Antsirabe. Miantoka betsaka amin’ny toe-karena Malagasy ny fiompiana indrindra taorian’ny Covid-19.
Misy ihany koa anefa ny roinasa misehatra manokana amin’io, tsy tokony ireny ve no tena tohanana mba ho lasa lavitra ? Oahatra amin’izany ny Tiko izay manna-traikefa betsaka amin’ny vokatra vita amin’ny ronono kanefa toa vao maika sakanana.
Na dia nisy aza ny fisedrana olana teo amin’ny famarotana ireo vokatra noho ny fihenan’ny mpanjifa dia efa fotoana izao sady efa hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra isika ary mandeha ny vokatra azo avy amin’ny ronono. Mila hatsaraina noho izany ny sehatra fihariana tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
