Fanatanjahantena : Nitsangana ny federasiona malagasy ny Jiu-jitsu (FMJJ)
Namoaka federasiona vaovao indray avy ao amin’ny Comité Olympique Malagasy (COM) dia ny Federasiona Malagasy ny Jiu-Jitsu FMJJ izany. Voasoratra ara-dalana ao anatin’ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo hanampy indray ireo federasiona miisa 43 efa ao anatiny. Faritra telo no efa ahitana azy ireo amin’izao fotoana izao dia Atsinanana, Analamanga ary Vakinanakaratra.
« Klioba eo amin’ny 20 eo no efa misy amin’izao fotoana izao ; ahitana mpikambana eo amin’ny telopolo eo avy ka ireo efa manana ny mari-pahaizana ambony no mpampiofana isaky ny klmioba. Taranja iray efa nahazoan’ny Madagasikara medaly maro isan-karazany ity ka tokony hotohanana hatrany ihany », hoy io Johary Rakotozafy, Mpitantana ny federasiona.
« Efa isan-karazany ireo fifanaraham-piara-miasa iraisam-pirenena an-dalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao na dia vao izao aza vao tena ara-dalana ny federasiona. Efa niasa foana hatrizay izahay ary hiezaka hatrany hampitombo ny fahaizana ara-teknikan’ny ekipa », hoy kosa ireo tompon’andraikitra sasany.
Tafiditra mpikambana ao anatin’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny Jiu-jitsu ny FMJJ ary tafiditra ihany koa anisan’ny ao anatin’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny Jiu-jitsu brezilianina. Raha tsiahivian dia any Abu Dhabi no hitrangan’ny lalao iraisam-pirenena hiadiana ny tompon-daka amin’ity taranja ary efa any amin’izany ny tanjon’ny federasiona amin’izao fotoana izao.
Miora Raharisolo
