Alaotra Mangoro : Voafidy ny filohan’ny filan-kevi-paritry ny lavanilina i Razafindrabary
Manodidina ny 02 taonina sy 200 kilao ny lavanila avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Ao amin’ny kaominina Vohimena sy Andrebakely Avaratra Distrikan’Amparafaravola no tena betsaka mpamboly azy ity ary manomboka mihitatra tsikelikely izany ankehitriny. Miisa 110 ireo mpamokatra manana karatra ara-dalana amin’izao fotoana izao, izay mamboly amin’ny velaran-tany 20 ha. Natsangana ny rafitra hitantana ny filan-kevitra rezionalin’ny lavanilina na ny CRV eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Niantso ireo mpisehatra ny Fitaleavam-paritry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana, ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny 11 may 2021 lasa teo. Voafidy ho Filohan’ny filan-kevitra tamin’izany fivoriana izany i Razafindrabary. Tanjona ny hanitarana ny tany iasana sy hanatsaràna ny kalitaon’ny vokatra. Vinavinaina tsy ho latsaky ny 80 000 ariary no hamarotana ny kilaon’ny lavanila avy eto amin’ny faritra amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra, ny faramparan’ny volana jolay ho avy izao. Ankoatra izay, manana anjara toerana lehibe amin’ny toe-karenam-pirenena tokoa ny famokarana ny lavanilina ary isan’ny mampalaza ny firenena eo sehatra iraisam-pirenena izany. Mety hanatsara ny vokatra ve izao fifidianana vaovao izao ?
