Dépêches

Mpanendaka tratra tetsy 67ha Sud

12 May, 09h00. Mihamasiaka ireo mpanendaka sy mpanao sito-mahery eto andrenivohitra. Lehilahy iray indray no tratran’ny fokonolona nisitona poketrana vehivavy iray andeha hiasa ny maraina teo. Raha ny fanazavana, izy andeha hitsoaka iny no voasaringotrin’ny kalesy nitondra marary ilay poketra noentiny. Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ity tovolahy ity ary tsy ela taorian’izay no tonga ny mpitandro ny filaminana.

Laisser un commentaire