Fampianarana: Efa nivoaka ny teti-androm-pampianarana eny amin’ny amabaratonga ambany.
Dépêche 07 décembre, 15h30, Araka ny fanambarana izay milaza fa ho azo ao amin’ny taona fahadimy ihany ny mari-pahaizana CEPE dia nivoaka niaraka tamin’izay ihany koa ny tetiandrom-pampianarana amin’ny ankapobeny eny amin’ny ambaratonga ambany. Ny 20 jona 2023 ho avy izao no hanatanterahana izany fanadinam-panjakana izany raha ny 3, 4, 5, ary ny 6 jolay kosa no hanaovana ny fanadinana BEPC. Marihina kosa fa ny fotoana hanaovana ny fisoratana anarana ho anisan’ny handray anjara amin’ireo fanadinana ireo dia hanomboka ny volana janoary ary tsy hifarana raha tsy ny volana martsa. Tsara kokoa anefa raha mahavita izany alohan’ny fotoana ny mpianatra.
