Anjeva: Nandray anjara tamin’ny atrik’asa niarahana tamin’ny Matsf sy ny Page Giz ny ben’ny tanàna ao an-toerana
Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo no nanatontosana teny amin’ny Hotel Pietra Analakely ny atrik’asa mahakasika ny “validation élargie des résultats de la capitalisation des bonnes pratiques sur l’élaboration et la mise en œuvre du Schéma d’Aménagement Communal” izay nokarakarain’ny MATSF sy ny PAGE GIZ. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany atrik’asa izany ihany koa ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva.
«Mitondra voka-tsoa sy fandrosoana lehibe ho an’ny kaominina ny fananana drafitra ifotony fanajariana ny tany satria dia anisan’ny manamora ny fahitana mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ny fananana azy » hoy ny ben’ny tanàna.
«Anisan’ny zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fananana finiavana hiezaka ho an’ny faritra iray. Ary toe-tsaina tokony hananan’ireo mpitondra na mpitarika ny fiketrehana hatrany ho an’ny fampandrosoana eny ifotony, indrindra ho an’ny fanasoavana sy ireo tombotsoa iombonana eny anivon’ny kaominina » hoy i Hasina, mpianatra momba ny fitantanana.
Raha ny voalaza hatrany moa dia kaominina 128 amin’ireo kaominina 1695 misy eto Madagasikara ihany no manana ilay atao hoe “Schéma d’Aménagement Communal”.
Manitra Ramanantsoa
