Fampitaovana: Ampiana ireo milina fanadiovana renirano.
Araka ny tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra dia hampitomboana ireo milina izay entina hanadiovana renirano. Izany no hatao mba hanatsarana ny fikarakarana ny Lakandranon’ny Pangalana hiomanana amin’ny fanohizana ny fanokafana ny Lakandrano. Efa ny taona 2019 no natomboka ity fanokafana ny lakandrano ity saingy mila hampitomboana izany asa izany haahafahana manafingana ny asa satria mitombo hatrany ireo sakana tsy hampandeha ny asa.
“Efa ny ampahany voalohany mampitohy an’ny Toamasina amin’ny Mananjary mirefy 432km no efa andalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao. Mila fanadiovana lehibe anefa izany noho ny rivo-doza izay niseho sy ny fisian’ny fasika miakatra ka lasa sakatsakana amin’ny fanjonoana ao amin’ny lakandrano. Efa hiroso amin’ny fanokafana ny ampahany avy any Mananjary mankany Farafangana mirefy 205km ny fanjakana amin’izao ka izany rehetra izany no ilaina ny milina vaovao”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro.
“Ilainay ny fanadiovana ity lakandrano ity. Mamokatra hazan-drano betsaka izy ka miankina amin’izay ny fivelomanay. Raha tototra daholo anefa izany noho ny fasika dia tsy hisy vola miditra ho anay intsony. Ho avy indray koa mantsy izao ny fahavaratra ka ahiana hisy rivo-doza izay mety hitondra fasika ka vao mainka hanampy ny rtototra efa misy amin’ny renirano”, hoy i Jean Yves, mpanjona avy ao Mananjary.
Faritra miisa 4 sy Distrika miisa 9 no lalovan’ny Lakandranon’ny Pangalana. Ny ankamaroan’ny mponina amin’izany dia mpanjono no asany ary amin’iny renirano iny avokoa izy ireo noho izany no mivelona. Fanampiana ny mponina no antony hanaovana izany ka antenaina ho tonga farak’izay haingana noho izany ireo milina araka ny teti-bola izay eo am-pelatanan’ny Fanjakana.
Miora Raharisolo
