Canada : Heverina fa efa lany tahiry ny « oxygène » tao amin’ny « sous-marin » tsy hita
Raha tsiahivina dia « sous-marin » iray nitondra mpizaha-tany sy manam-pahaizana hijery ny Titanic no tsy hita andro vitsivitsy izao. Raha ny fanazavana dia an’ny orinasa OceanGate Expeditions io fitaovam-pitanterana an-dranomasina io ary olona dimy no tao anatiny.
Amin’izao fotoana dia mitohy ny fikarohana io « sous-marin » saingy raha ny tatitra dia heverina fa efa lany omaly manodidina ny 1 ora atoandro teo ny tahiry ny « oxygène » tao amin’ilay « sous-marin ». Nanazava mantsy ny tompon’andraikitry ny OceanGate fa 96 ora ihany na 4 andro no faharetan’ny tahiry tao amin’ny « sous-marin ».
Na izany aza dia mbola manan-tena ny hanavotra ireo niaram-boina ireo ny tompon’andraikitra. Nilaza ny tompon’andraikitry ny orinasa Horizon Maritime, izay toerana niaingan’ilay « sous-marin » fa efa mihomana mandrakariva amin’ny loza toy izao izy ireo ary tsy voalohany no sedra izany. Fitaovana avo lenta no ampiasaina amin’ny fanavotana ireo olona ireo hoy ny filohan’ny orinasa, Sam Leet. Marihana kosa fa miara-miasa ao anatin’io fikarohana io i Canada sy Etats-Unis.
