Tsidika

Zava-kanto: Lany tsy nasiam-panitsiana, tsy nasiam-panovana teo anivon’ny Antenimierandoholona ny tolo-dalàna momba ny zo’ny mpamorina

Ny alarobia 21 jona teo, izay andro natokana hoan’ny  fetin’ny mozika no nanambara fa lany tsy nasiam-panitsiana, tsy nasiam-panovana teo anivon’ny Antenimierandoholona  ny tolo-dalàna laharana faha-002-2022/PL « portant refonte de la loi n°94-036 sur la propriété littéraire et artistique » ity. Tolo-dalàna izay natolotry ny solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert na i Rossy, voafidy tao Antananarivo IV.

Nambaran’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Office Malgache du Droit d’Auteur fa hisy fiantraikany sy hifandraika amin’ny asa eo anivon’ny ny OMDA ny fahalanian’io tolo-dalana io ary ho hita soritra manomboka izao. Naneho ny hafaliany ihany koa ny mpanakanto Rossy ka nanano fisaorana ny ekipa rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny fahalanian’io tolo-dalana io.

Zava-dehibe eo amin’ny sehatry ny zava-kanto ny fisian’ny lalana mazava toy izao ary mariky ny maha ara-dalàna sy ny fahaveloman’ny zava-kanto eo amin’ny tany sy ny firenena izany.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire