ActualitésTsidika

Fitakiana ny hanokafana ny Base Toliara

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fisian’ny fitrandahana. Manampy indrindra amin’ny resaka toe-karena noho izy harena an-kibon’ny tany azo avadika ho vola sy mandoa hetra ka miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana, manampy ihany koa eo amin’ny resaka sosialy noho izy manome asa ny mponina eny ifotony. Mangataka ankehitriny ny « Syndicat Professionnel des Mines de Madagascar » antsoina hoe Synpromine-Mad ny hanokafana indray ny Base Toliara. Ity farany izay toeram-pitrandrahana nakatona kanefa tokatrano maro no mivelona ao. Mbola nanamafy ny fitakiana aeaka izany ireo olobe any amin’ny Kaominina Tsianisiha, Ankilimalinike, Maromiandra, Belalanda, sy Toliara izay toerana tena voakasiky ny fitrandrahana. Manampy amin’ny tsy fahananan’asa ity tetik’asa base Toliara ity satria manodidina ny 3 600 ny asa hoentiny rehefa misokatra izy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire