ConseilTsidika

Kolontsaina : Mampiseho ny toetra sy ny fomba fihetsika ny Dihimbavy

Dihy merina mampiseho ny toetra sy ny fomba fihetsika tokony asehon’ny vehivavy eo anivon’ny fiaraha-monina ny Dihimbavy. Amin’ny fampitaha sy ny lanonam-pianakaviana isan-karazany no anaovana io dihy io. Hira sy dihy milanto, malefaka sy mirindra ny fihetsika ka ny loha, ny tanana, ny sandy sy ny soroka ary ny tongotra no ampandihizina. Manao akanjo tohitena marevaka hakitrokely ny vehivavy. Mitafy lamba izy sy manao tanan’ivoho. Ny lehilahy kosa dia manao malabary sy mipataloha miloko rano iray ary misatroka vita amin’ny mololo. Ny apongabe, langoroana, ny angorodao, ny trompetra, ny korintsana, ny tsikadra ary ambio no zava-maneno ampiasaina aminy.

Laisser un commentaire