SocialTsidika

Mitera-doza ho an’ny olombelona sy ny tontolo iainana ny firamainty na ny « plomb”

Mahatratra 46 876 ireo maty vokatry ny fahalotoan’ny tontolo iainana eto Madagasikara ka ny 4% amin’izany na ny 1620 dia saika vokatry ny fandotoana avy amin’ny firamainty na ny Plomb avokoa. Loza ho an’ny tontolo iainana izay mety hiteraka fahafatesan’ny olona noho izany ny firamainty.

« Efa ao anatin’ny politikanay ny hanatsara ny kalitaon’ny rivotra amin’ny alalan’ny fampihenana ny fampiasana firamainty indrindra ao anatin’ny loko » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. « Mila manana ny fenitra nasionaly mahakasika ny tahan’ny firamainty ao anaty loko mba hiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny tontolo iainana » hoy ny avy ao amin’ny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana mikasika ny fahasalamam-bahoaka. « Efa nisy mihitsy ny fihaonana nataon’nyv Ministera taminay mpandraharaha tsy mainkina ny amin’ny famolavolana ny firamainty anaty loko ary fantatray tamin’izany fa loza ho an’ny fahasalamana kay izy io » hoy i Réné, mpandraharaha Malagasy.

Ny asantsika ihany no mitarika ny fahalotoan’ny tontolo iainana ka aoka samy ho tompon’andraikitra ny tsirairay indrindra manoloana ny fampiasana ny firamainty.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire