Ambohimangakely : Ahitana fanatanjahan-tena maro isan-karazany
Efa misy karazana fanatanjahan-tena maro samihafa ao Ambohimangakely amin’izao. Manampy betsaka ny fitaizana tanora ny fisian’izany.
« Misy baolina kitra eto, misy basket sy volley ihany koa. Izany dia ho entina hanampiana ny tanora tsy hivari-lavo amin’ny zava-mahadomelina. Vonona hatrany ny tenako handray ireo tanora » hoy i Lalaina, mpanazatra ireo tanora ireo any an-toerana. « Mivondrona izahay tanora amina fanatanjahan-tena tianay. Manentana ny tanora namana ihany koa mba hanatevin-daharana. Tsara ny manao fanatanjahan-tena na ho an’ny sosialy na ho an’ny vatana na ho an’ny saina » hoy i Hery, tanora mpilalao baolina ao Ambohimangakely.
« Tsara mihitsy ny mitaiza tanora amin’ny fanatanjahan-tena tahaka izao. Mankahery azy ireo hatrany indrindra ny mpitarika. Tohizo foana ho voninahitry ny kaominina » hoy i Andrianina, mponina ao Ambohimangakely. Ny fanatanjahan-tena tokoa dia lalana iray hampandrosoana ny tanora. Miainga amin’ny tanora ny fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
