ActualitésTsidika

Alasora : Nametraka lamina vaovao ho an’ny fampianarana ny sekoly iray

Nametraka lamina vaovao ny sekoly iray ao Andempona Alasora mandritra ny fidirana amin’ny 17 janoary izao. Tsy maintsy manaraka ny fepetra ara-pahasalamana kosa ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra.

« Amin’ny 8 ora maraina avokoa ny ora fidiran’ny mpianatra rehetra. Mianatra tontolo andro ny T1, T2, T3, T4, T5, T8, T9 ary kilasy famaranana eto amin’ny sekoly Saint Gerard Maiëlla Andempona. Mifandimby kosa ny fandehanana an-tsekoly ho an’ny kilasy T6, T7, ny T10 ary ny T11 » hoy ny Talen-tsekoly. « Ny laharana tsy mivaky rehetra no mianatra maraina aloha mandritra ny herianndro voalohany toy ny laharana 1, 3, 5, 7. Ny laharana mivaky kosa no mianatra hariva toy ny laharana 2, 4, 6, 8. Ho an’ireo sekoly mifandimby mianatra izany » hoy i Andriatsilavo, mpampianatra ao amin’ity sekoly ity.

« Mahafinaritra kosa ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Tsy natao ambaninjavatra ny fampianarana ary ny fahasalamana » hoy i Clarisse, renim-pianakaviana mampian-janaka ato amin’ity sekoly ity. Marihina fa tsy mianatra ny kilasy ambany indrindra na ny Préscolaire raha tsy amin’ny 24 Janoary izao. Tsy misy fiovana ny fandaharam-pianarana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire