ActualitésTatitra

France : Nisy fandidiana tsy ara-dalàna ny homamiadana nanodidina ny 15 000 ny taona 2018

Nanao fanadihadiana lalina mahakasika ny fandidiana tsy ara-dalàna ny homamiadana ny fandaharana Cash investigation. Nanambara izy ireo fa hopitaly sy toeram-pitsaboana ao France miisa 812 no nanatontosa izany tsy ara-dalàna izany ny taona 2018 teo manerana ny firenena.Mba nahazoana io isa io dia nanadihady sy nandalina ita samihafa niafina avy tamin’ny angon’ny fahasalamana frantsay izy ireo. Homamidan’ny nono ny 325 tamin’io 812 nodidiana io raha homamiadan’ny prostaty kosa ny 160. Tao amin’ny faritra Île-de-France kosa ny ankahamaroan’ireo toerana nanatontosa ny fandidiana izay nahitana toeram-pitsaboana 126 ary manaraka azy i Auvergne-Rhône-Alpes, amin’ny toeram-pitsaboana 82.

Laisser un commentaire