SocialTatitra

Etats-Unis : Nanandrana nandefa ny « fusée » Starship i SpaceX

Nanandrana handefa ny « fusée » n’izy ireo mitondra ny anarana hoe Starship ny orinasa SpaceX ny talata 30 martsa. Tokony notanterahina ny alatsinainy 29 martsa izany saingy voatery nahemotra noho ny olana ara-toetr’andro. Manantena ny hahavita handefa ity “fusée” ity amin’izay i SpaceX, orinasa noforonin’ilay miliaridera Elon Musk. Efa nisy ny andrana 3 natao teo aloha saingy tsy nisy nahomby avokoa izany. Hatramin’ny zoma lasa teo no novinavinaina nalefa i Starship saingy tsy tontosa foana noho ny toetr’andro miovaova raha ny fanazavana. Ny talata 30 martsa no nalefa ny SN11 (anaran’ity fusée ity), tao Bronsville. Enina minitra taorian’ny niaingany anefa dia nipoaka ity fitaovana ity. Mikendry ny ahafahana mitatitra olona eny amin’ny volana, eny amin’ny planeta Mars na miohatr’izay ity tetik’asa ity. Mikasa ny hanambatra an’i Starship amin’ny Super Heavy (fusée iray noforonin’izy ireo ihany koa) i SpaceX. Napetraka ho 120 metatra ny haavony ary afaka hitondra entana manodidina ny 100 taonina hivoaka ny tany. Hapetraky ny orinasa SpaceX ho fanamby araka izany ny famoronana sambon-danitra mahery vaika sy matanjaka indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Laisser un commentaire