Mayotte : Voasambotra ilay lehilahy mpitam-piadiana mpampihorohoro
Voasambotr’ireo manam-pahefan’i Mayotte ny alin’ny 30 desambra teo ilay lehilahy mpitam-piadiana, mirongo antsy lava lela mpampihorohoro tao an-toerana. Efa am-bolana maro no nokarohana io lehilahy io izay lehibena vondrona ary voarohirohy amin’ny halatra mitam-piadiana sy fanolanana.
Tao Kawéni no nahatratrana io lehilahy io izay fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Blax » na « l’homme à la machette ». Marihana fa mbola tanora io lehilahy io izay vao mananika ny faha-198 taonany eo. Tananan’ireo manam-pahefana ao Mamoudzou kosa izy amin’izao fotoana.
