ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Jiolahy mpamaky trano sy mpangalatra vy vavahadim-pasana tratran’ny zandary

Jiolahy hikoizana amin’ny fanaovana asa ratsy ao amin’ny kaominina Ambohimalaza miray tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigadin’Ambohimalaza ihany, ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha araka ny voalaza, jiolahy mpamaky trano sy mpangalatra ireo vy amin’ny vavahadim-pasana izy efatra ireto no izao tratra izao.

“Noho ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra sy nanatratra ireo olon-dratsy mpamaky trano sy mangalatra ireo vy hidim-pasana, izay tranga nampitaraina ny mponina eny anivon’ny fokontany” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

“Mitohy hatrany ny ezaka mba hananana filaminana sy fandriam- pahalemana maharitra eto amin’ny faritra Ambohimalaza. Ary manentana  ny mponina hatrany tsy hisalasala hiantso na hampandre ny zandary raha misy tranga mampiahiahy eny amin’ny manodidina eny, ahafahana miaina anaty fandriam-pahalemana” hoy hatrany ireo mpitandro filaminana.

Marihina moa, fa nosamborina niaraka tamin’ireo mpamaky trano sy mpangalatra vy ireo ihany koa ireo mpividy sy mpandray ireo halatra tao an-toerana. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandarimaria mahakasika ity raharaha ity amin’izao fotoana izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire