Israël : Hanokatra fanadihadihana mikasika ny zon’olombelona ny ONU
Nilaza ny filan-kevitra momba ny zon’olombelona ao amin’ny vondron’ny firenena mikambana omaly alakamisy 27 may fa hanokatra fanadihadihana iraisam-pirenena mikasika ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona nisy teo amin’ny adin’i Israël sy Gaza. Ary hanadihady ihnay koa ny amin’ny tena antony nahatonga izao olana izao. Naneho fanampahan-kevitra mahamenatra mantsy ny Praiminisitra Israelianina, Benjamin Netanyahu, satria nankahery ireo mpampihorohoro maneran-tany ny tenany. Tetsy an-kilany kosa nanaiky ny amin’ity fanadihadihana ny amin’ny zon’olombelona ity ny avy ao amin’ny vondrona silamo any Palestine izay mitondra ny ao Gaza ary vonona hiady ny amin’ny zon’olombelona ho an’ny palestinianina. Ny « roquette » marobe nalefan’ny Gaza dia nahitana trangana fanitsakitsahana ny zon’olombelona hoy i Michelle Bachelet izay tompon’andraikitra volaohany momba ny zon’olombelona ao amin’ny ONU. Ny 10 hatramin’ny 21 may lasa teo, 254 ny palestinianina no maty vokatry ny ady nataon’ny Israël ary nahitana ankizy 66 tao anatin’izanY raha nahafatesan’olona 12 kosa tany Israël noho ny roquette nalefan’ny Gaza ka nahitana zaza iray maty. Hisokatra araka izany ny fanadihadihana ataon’ny ONU mikasika ny zon’olombelona.
