Maurice : Mampisalasala ny fiverenana an-tsekoly
Mampisalasala ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2021 manoloana ny fiakaran’ny isan’ireo marary any Maurice. Mbola tsy nilaza ny hisokafan’ny sekoly indray hatreto ny « HighLevel Committee » raha efa naneho hevitra mikasika izany kosa ny avy ao amin’ny « Primary School Achievement Certificate » na ny PSAC omaly. Ny 14 jona izao no daty nomanina hidirana an-tsekoly kanefa andro vitsivitsy izay no nahitana fiakarana ny tahan’ny marary any Maurice. Mbola hisy ny fandinihana ny toe-draharaha hoy i Zouberr Joomaye izay mpitondra tenin’ny Komitim-pirenena mikasika ny serasera manodidina ny Covid-19. Amin’ny fivorian’ny « High Level Committee » manaraka no hanapahana izay tokony ho atao mikasika ny fanabeazana amin’izany amabaratonga izany izay hotanterahina androany. Mangataka kosa izy ireo ny amin’ny hanaovana vaksiny ireo mpampianatra aorian’ny hanaovana vaksiny ny olon-dehibe efa mandeha ankehitriny. Raha tsiahivina mbola ao anatin’ny andian’ny faharoa amin’ity valan’aretina ity i Maurice amin’izao ary mbola hatahorana ny hidirana amin’ny andiany fahatelo. Ary efa very enim-bolana be izao ireo mpianatra tamin’ny taona 2020 ary mbola miampy izao enim-bolana tamin’ity 2021 ity indray ka lasa very herintaona be hoy ireo Syndicaliste. Saingy mbola ho hita eo ny tohiny fa ny mpianatra tsy azo ampianarina anaty tranga mampiahiahy tahaka izao hoy ny tompon’andraikitry ny serasera amina sekoly katolika iray.
