ActualitésTatitra

Belgique : Hiakatra ny lamandy aloha eny an-dalana amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Hiakatra ny sazy napetrakin’ny mpitsara ho an’ny fandoavana onitra vokatrin’ny tsy fanarahan-dalàna eny an-dalana manomboka izao any Belgique ka manomboka amin’ny 9 euros ka hatramin’ny 25 euros izany. Efa neken’ny vondrona « parlementaire » ho an’ny fampanjaka ny rariny izao lalàna izao. Tsy maintsy aloha izany rehefa manitsakitsaka ny lalàn’ny fifamoivoizana ireo mpampiasa lalana. Tanjona amin’ny hampanaran-dalàna ny rehetra izao izao fanondrontana ny lamandy izao hoy i Benoit Godat izay mpitondra teny ny sampana Vias misahana ny filaminana mandritra ny fifamoivoizana. Nisondrotra 8 Euros izany izay aloha eo ho eo ary 25 euros kosa raha miakatra fitsarana ilay raharaha. Tsy vitsy anefa ireo mpampiasa lalana nitaraina noho izao fisondrotana izao satria mety tsy olana avy amin’izy ireo kanefa andoavany onitra lafobe.

Laisser un commentaire