ActualitésTsidika

Sugar daddy, mama saosy, fivarotan-tenan’ny tanora

Entina hilazana ireo olona efa nahazoazo taona mpanam-bola miaraka amim’ny tanora ny « sugar daddy », antsoina ihany koa hoe « papa saosy ». Tsy mifidy na lahy na vavy. Malaza io fomba fiteny papa saosy sy mama saosy io ankehitriny satria voasarika amin’izay ny sasany amin’ny tanora. Ao ambadik’izany anefa dia mifono ho fivarotan-tena satria hahazo vola sy ho finaritra ny tanjona. Tranga ihany koa ny fanambatambazana amin’ny vola. Mahavita misandoka ho manambola ny sasany mba ahafahany mahazo ny fon’ilay vehivavy na lehilahy.

Fa inona no antony mahatonga ny tanora maka azy ireny ? Voadonan’ny fiainana, mahantra ny ray aman-dreny na koa fitiavana harena tsotra izao fa efa zanaka mpanakarena ihany. Raha ny tsikaritra, any amin’ny alim-pandihizana na rehefa misy revirevy no tena ahitana papa saosy sy mama saosy. Miseho amin’ny fomba mihaja ny fangalana azy.

Maro tokoa ireo roboka noho izany. Hany ka mahavita manao tarehy (makeup) ny vehivavy, manampy azy eo ny fidirana toeram-pikotranana mba hanana bika tsara hahazo irony papa saosy sy mama saosy. Simba ny fiaraha-monina ka variana amin’ny haitraitra ny olona. Nianga tamin’ny hoe « Bertrand » ity fiteny ity teo aloha, izay azo tamin’ny alalan’ny horonan-tsary malok’ila moa izany. Ny horon-tsary izay anisan’ny nalaza tokoa teto Madagasikara.

Fa nahoana no misafidy papa saosy ny tanora? Raha ny nambaran’ny tanora nanotaniana dia mahavita kokoa ny fiainany ny fiarahana amin’ny papa saosiny, mampiadana raha my marimarina kokoa. Toa izay ihany koa ireo lehilahy tia mirevy, ny mama saosy no miantoka ny revy ka tena ilaina tokoa. Misy amin’ny papa saosy sy mama saosy no lasa manam-bady ny olona iarahany.  Lasa misy ny herisetra na jaly ao an-tokatrano noho ny fianteherana amin’ny volan’ny hafa.

Etsy ankilany, misy ireo mifofotra mafy mba ho tafavoaka amin’ny fiainana. Ary matetika ireo milofo, manao ny hainy tsy ho zavatra mba hananany ho avy mamamiratra no miezaka ny ho tafita. Aiza ho aiza ny soatoavina maha malagasy manaho hoe « hy hatsembohan’ny tavanao no ihinanao ». Noho ny hakamoana hitady tokoa ve ny mahatonga izany sa tsy te hampiasa saina loatra. Lasa miantehatra loatra amin’ny vola ny ankamaroan’ny olona, hany ka mahavita ny tsy tokony atao ahazoana fatratra azy.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire