Australie : Mpikaroka maromaro hamelona biby efa lany tamingana
Siantifika maromaro avy ao amin’ny oniversiten’i Melbourne ao Australie no nanambara fa nahazo fanomezana 4,6 tapitrisa euros hanokafana toeram-pikarohana hamolavola teknolojia hamelomana indray ilay karazam-biby efa lany tamingana ampolo taonany maro antsoina hoe « tigre de Tasmanie » na « thylacine ».
Efa 70 taona no tsy nahitana io biby io intsony, fantatra amin’ny tsipitsipika eo amin’ny lamosiny izy ary biby mampinono « marsupial ». Tamin’ny taona 1933 no nahitana azy farany tao amin’ny « Zoo de Hobart ». Tao Australie sy Nouvelle-Guinée kosa no tena nisy azy.
Ho sokafana ny « Thylacine Integrated Genetic Restoration Research (TIGRR) Lab » hamelomana ity biby ity indray amin’ny alalan’ny ADN izay nalaina tamina « spécimen » ao amin’ny « Museums Victoria ». Entina hitandrovana sy hanaovana fikarohana ireo biby hafa ihany koa nefa io toerana io. Marihina fa efa 39 ny biby mampinono lany tamingana tao Australie tao anatin’ny 200 taona.
