Portugal : Handray mpijery miisa 16 500 ny lalao famaranana ny « Champion’s League »
Eo eo amin’ny 16 500 ny mpijery afaka manatrika ny lalao famaranana ny « Champion’s League » ny sabotsy 29 Mey ho avy izao any Porto. Nanaiky hampiditra ny 33% amin’ny mpijery zakan’ny toerana ny tompon’nadraikitra ao Portugal raha ny nambaran’ny UEFA. Araka ny fihaonana tany Instabul, Hisy ny fahazahoan-dalana amina tapakila 6 000 isaky ny klioba tafiakatra tamin’ity lalao famaranana ity, Chelsea sy Manchester City, ho an’ireo mpanohana azy. Tapakila miisa 1 700 kosa ho an’ireo mpijery tsotra. Na izany aza anefa, mbola misy hatrany ny krizy ara-pahasalamana ka izay voamrina fa tsy mitondra ny aretina ihanyy no afaka miditra ao amin’ny « Stade » ary ireo mpijery avy any ivelany kosa dia tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra alohan’ny idirana ao Portugal. Tsy misy kosa ny fihibohana ho an’ireo mpilalao sy mpanohana anglisy rehefa miverina any aminy hoy ny tompon’andraikitra Britanika. I Chelsea sa i Manchester City no hivoaka ho mpandresy ?
