ActualitésTatitra

Japon : Aoi Ike, dobo tsara indrindra ao amin’ny firenena

Dobo artifisialy ao Biei, Hokkaido ny Blue Pond na Aoi Ike. Vokatra navelan’ny asa nataon’olombelona tao amin’ny reniranon’i Biei izy io. Taorian’ny fipoahan’ny volkano Mont Tokachi tamin’ny taona 1988 ny dobo no namboarina, nentina niarovana ny tanànan’i Biei tamin’ny fotaka nikoriana avy ao amin’ny volkano.

Miloko manga mangatsakatsaka ny dobo Blue Pond arakin’ny anarany. Raha ny fantatra dia ny fisian’ny « hydroxyde d’aluminium colloïdal » ao amin’ny rano no mahatonga izany. Niloko volontany kosa nefa ny rano ary nihena tamin’ny volana aogositra 2016 nohon’ny fotaka sy ny fasika nentin’ny rivodoza Mindulleen.

Voasokajy ho isan’ny dobo tsara indrindra ao Japon kosa ny Aoi Ike. Misarika mpizaha tany maro izany ary azo hiazoana amin’ny fiara sy fiaran-dalamby.

Laisser un commentaire