Alasora : Sazy enim-bolana an-tranomaizina sy lamandy 1 200 000 Ar no nomena ilay lehilahy nangalatra jiro tao amin’ny fokontany Amboaroy
Nahazo sazy enim-bolana am-ponja sy handoa lamandy mitentina 1 200 000 r, ilay olona tratra nangalatra ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, manazava ny tanàna tao amin’ny fokontany Amboaroy, kaominina Alasora. Fantatra izany taorian’ny fitsarana azy, izay tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, taorian’ny nitanana am-ponja vonjimaika azy teny Antanimora.
« Mendrika tokoa ny sazy tahaka izao ary tokony ampiana asa an-terivozona toy ny mamerina amin’ny toerana ireo jio, manamboatra lalana, sns mihitsy aza mba hahafay ny mpanao ratsy tahaka izao » hoy i Nivo, mponina ao Amboaroy Alasora.
« Tsy ny mpangalatra jiro ihany no tokony ho samborina sy omena sazy fa na ireo mpanao ala botry, mangalatra akoho, mangalatra fitaovana madinidinika eny anivon’ny fiaraha-monina ihany koa tokony hametrahana lalàna sy fitsipika manasazy azy ireny » hoy i Arnold, mpianatra mikasika ny lalàna.
Anisan’ny mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana, mahatonga ny asa ratsy miverina matetika ny fahamaivanan’ny sazy omena ireo mpanao asa ratsy, ka mahatonga azy ireo sahy sy tsy matahotra hamerina izany. Tokony ampiana sy hamafisina araka izany ny lalàna indrindra fa ny eny anivon’ny fiaraha-monina, toa ny fametrahana dina, mba hifehezana ny fandriam-pahalemana.
Manitra Ramanantsoa
