Suède : Mpitsara ao amin’ny fitsarana tampony iray no voaheloka noho ny fangalarana hena
Nifarana tamin’ny fomba hafakely ny asan’ny mpampanoa lalana iray tao amin’ny fitsarana tampon’i Suède. Tratra nangalatra hena « jambon de Noël » sy « boulettes de viande » (laoka nentin-drazan’i Suède rehefa faran’ny taona) io vehivavy mpitsara 67 taona io ny faran’ny taona teo raha ny volazan’ny fitsarana.Toeram-pivarotana iray ny Stockholm no nahatrarana azy, ary niala tamin’ny toerana niasany izy ny volana febroary teo rehefa nivoaka tamin’ny haino aman-jery ny raharaha. Tsy maintsy nandoa lamandy 50 000 couronnes (22 tapitrisa Ar) ny tenany, hoy i Per Nichols, mpampanoa lalàna nisahana ny raharaha.20 taona io mpitsara io no niasa tao amin’ny fitsarana, izay tsy misy mpiasa hafa tsy 16.
