ActualitésSportTsidika

Lalaon’ny nosy 2023: Ho tanterahina etsy Mahamasina ny lanonam-panokafana

Hanomboka amin’ny zoma 25 aogositra izao, ka hatramin’ny 15 Septambra no hanatanterahana ny lalaon’ny nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina no hanatontosana ny lanonam-panokafana izany lalaon’ny Nosy andiany faha-11, araka ny voalaza.

“Fotoana iray hanasongadinana ny maha izy azy an’i Madagasikara sy ny mampiavaka azy eto amin’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina ity lanonam-panokafana ity. Hisy araka izany ny fandraisana makotrokotroka amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny effets spéciaux, pyrotechnies, ny fampisehoana an-tsehatra sy ny zava-kanto, projections immersives, mapping, laser ary ny drone” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Mampatsiahy ny tamin’ny lalaon’ny nosy ny taona 2007 ity fanomanana ny amin’izao fotoana ity. Ity lalao ity izany manana foto-kevitra dia ny fampiraisana ny nosy, ny fanehoana firahalahiana eo amin’ny nosy manodidina. Mananetana mba ho tafapaka any amin’ny tsirairay avokoa izany hambo-po sy fitiavana ny firaisan-kina izany” hoy i Hery, mpikatroka amin’ny taranja hai-ady.

Marihina moa fa efa nivoaka ny fandaharam-potoana ho an’ity lanonam-panokafana ity. Hanomboka amin’ny 05ora hariva ny fananganan-tsaina Malagasy amin’izany, arahin’ny filaharan’ireo delegasiona avy amin’ny nosy rahavavy.

Manitra R.

Laisser un commentaire