Nivoaka tamin’ny fahanginany ny AREMA ary naneho ny heviny
Tao aorian’ny nahalasanan’i Didier Ratsiraka izay filoha mpanorina ny Antoko Revolisionera Malagasy, nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay ity antoko politika iray ity izay tarihin’ny zanany Annick Ratsiraka amin’izao fotoana.
Nanolotra fiarahabana ny Malagasy rehetra izy tamin’ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovan-tena malagasy fa ihany koa niarahaba ireo foloalindahy Malagasy. Nambarany nandritra ny fanambarana nataony fa tolona mivaivay dy dingana maro no nosedrain’ny malagasy mba nahazoana izany fahaleovantena izany saingy na dia efa 61 taona aty aorian’ny fanambarana aza anefa, mbola hita hatrany fa fahaleovan-tena sarintsariny fotsiny ihany no nomena an-dRamalagasy ankehitriny. Mbola miankin-doha tanteraka ary iharan’ireo tsindry hazo lena isan-karazany harany ny vahoaka malagasy na dia efa heno etsy sy eroa aza fa firenena mahaleo tena Madagasikara.
Nandritra ny fanambarana nataony hatrany, nilaza ny AREMA fa “fotoana angamba izao mba hanararaotana ihany hanaitra ny hambom-pon’ny tsirairay sy ilay afo miredareda feno fitiavan-tanindrazana ao anatintsika Malagasy manerana ny lafivalo ny Nosy sy ireo vazantany efatra mba hitraka hatrany sy hirehareha ary hanandratra avo dia avo ny maha-Malagasy antsika ka ho tanteraka tokoa ilay hoe : « Madagasikara mijoro fa tsy mandohalika ary hahaleo tena amin’ny lafiny rehetra ». Rehefa tsy ho tafaverina ihany ny fahaleovan-tenam-pirenena talohan’ny taona 1960, ny fahaleovan-tenan’ny tsirairay eo amin’ny lafiny rehetra indray no aleo katsahina mba tsy ho very foana ireo ezaka sy tolona natao.
Ally Herisoananahary
