Ankadinandriana: Anisan’ny kaominina manintona mpitsidika
Iray amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrika Avaradrano ny kaominina Ankadinandriana. Any amin’ny 43 kilometatra miala amin’ny renivohitra no ahitana azy. Kaominina ambanivohitra, voasokajy ho be mpitsika indrindra i Ankadinandriana noho ny fananana toerana miavaka, maneho ny hakanton’ny natiora sy lavitry ny korontana sy ny kotaba.
Tanàna mamokatra, raha araka ny seha-pamokarana sy fivelomana fambolena sy fiompiana ary ny fanaovana asa tanana, Ankadinandriana. Tombony ho azy ny fananana ny velaran-tany malalaka sy midadasika sy ireo renirano mandala ao an-toerana, toa an’Ikopa, Volotsangana ary Andranomiady.
Azo lazaina fa avy ao an-toerana avokoa ny ankamaroan’ireo vokatra amidy eto an-drenivohitra, toy ny voninkazo sy ny vokatry ny fambolen’ireo tantsaha isan-karazany, ny legioma sy anana isan-karazany.
Mahasarika ny mpitsidika ny tanàna noho ny filaminana sy ny natiora manintona maso ao aminy. Maro ireo tonga maka rivotra sy miala sasatra ao an-toerana rehefa fotoana tsy fiasana na faran’ny herinandro.
Anisan’ny olana sedrain’ny tanàna anefa ny faharatsian’ny lalana, indindra rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra sy mai-tany tahaka izao satria rehefa tsy mamotaka sy saro-dalana dia maina sy mamovoka.
Misy fokontany 17 moa no mandrafitra ny kaominina Anakdinandriana, dia ny fokontany Ankadinandriana, Andraravola, Ampahitrosy, Ambohitromby, Ambohimahatsinjo, Fihasinana, Andriampamaky, Antanimarina, Antanetibe, Soamonina, Andranovelona, Andranomonina, Ambohitsararay, Ambohitraina, Morarano, Ambohijato, Miorikampoza.
Manitra R.
